- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Telolahy nanendaka vazaha, niharan’ny daroka ny iray tratra

Ankorondrano : Telolahy nanendaka vazaha, niharan’ny daroka ny iray tratra

Omaly tokony ho tany amin’ny 12 ora sy sasany, vazaha vavy iray no nendahana telolahy tetsy Ankorondrano tsy lavitra ny fivarotana lasantsy iray. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny poketra sy ny findain’ilay ramatoa. Raha vao niseho anefa ity sinto-mahery ity, niezaka niantso vonjy ilay vazaha ka vetivety dia tonga ny olona ary hita teo koa ny sefo fokontany. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpisam. Afaka nandositra kosa ny roa. Avy hatrany dia niharan’ny vono ilay voasambotra ka naratra mafy. Mbola hita teny aminy ny poketran’ilay olona niaraka tamin’ny vola tao anatiny. Lasan’ireo tafaporitsaka kosa ny finday. Rehefa naratra ity bandy ity dia nisy ny nanatitra azy tany amin’ny mpitanadro filaminana.

Ny loharanom-baovao hatrany no ilazana fa efa narahan’izy telolahy fotoana elaela ity vazaha ity. Ankevitry ny efa fantany fa nitondra volabe. Rehefa teo Ankorondrano anefa dia io nosavoritahany io nangalany ny entana teny aminy. Variana ihany ny mpitazana nahita izany. Fantatra fa malaza amin’ny endaka iny faritra iny, saingy amin’ny andro maizina fa tsy mbola naharenesana izany mihitsy ny andro mazava. Mitohy ny fikarohana ireo roa tafatsoaka.

Nangonin’i Finaritra R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici