Tofoka tanteraka. Izay no azo hilazana ireo olona ny amin’ity resaka tsy fandriam-pahalemana manjaka eto amin’ny tanana ity. Hany ka na zavatra kely aza dia efa maha-romotra azy ireo. Toy ny zava-nitranga tetsy Ankorondrano ny faran’ny herinandro lasa teo. Telo vavy, izay samy manodidina ny 20 taona eo ho eo no tratran’ny mponina nanendaka ramatoa mpandalo iray teny an-toerana. Tsy nisalasala ireo nahasambotra avy hatrany dia nampihatra ny fahamaizana azy ireo. Tsy mbola tonga tany amin’ny vono anefa aloha fa ny fitafian’ireto telovavy ireto ambony no nesorin’ireo mponina. Nendahin’ireo nahatratra hatramin’ny tati-nono ka niboridana tanteraka ny tapany ambony. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy, teo anatrehan’izany nitondra azy ireo nentina natao fanadihadiana sy mba niarovana ny ain’izy ireo tamin’ny hatezeram-bahoaka. Raha nitohitohy tokoa mantsy izany, asa izany nitranga teo. Mety hisy ny hanararaotra ka sady ho voadaroka sy ho… voaolana. Fantatra mantsy fa sendra mamomamo izy telo vavy ireto no nifanena tamin’ilay ramatoa. “Ecouteur” no nendahin’izy ireo teny aminy. Sendra ny tampoka ity ramatoa ka niantso vonjy ary vetivety foana dia nitangorona ny olona nisambotra ireto telovavy. Fantatra fa navotsotra izy ireo taorian’ny fanadihadiana, raha ny fanazavàna teny anivon’ny pôlisy, satria tsy nitory rahateo ilay voendaka. Na izany na tsy izany, inoana fa anatra ity nihatra tamin’izy ireo ity.
m.L