- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Tovovavy kely voaendaka, torana tsy nahatsiaro tena

Ankorondrano : Tovovavy kely voaendaka, torana tsy nahatsiaro tena

Afak’omaly alina tokony tamin’ny 8 ora teo no nitrangan’ity loza ity, teny amin’iny faritra Ankorondrano iny. Tovovavy kely iray hamonjy fodiana no voaendak’ireto tsy mataho-tody. Vokany, lasan’izy ireo tamin’izany ny finday izay fantatra fa tena lafo vidy tokoa, torana tsy nahatsiaro tena kosa ity farany rehefa nosintomin’ireto mpanendaka ny entana teny aminy. Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa efa hatrany Andranomahery tany no nenjehin’izy ireo ity tovovavy ity, izay tsy nisy nahatsikaritra noho ny andro efa maizina. Teo Ankorondrano kosa ity farany no tratra ka izao tsy nahatsiaro tena izao. Vaky nandositra avy hatrany moa ireto mpanao ratsy rehafa nahavita ny asany.

FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici