- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Trano may, vehivavy lehibe maratra

Ankorondrano : Trano may, vehivavy lehibe maratra

Omaly hariva tokony ho tany amin’ny 6 ora tany ho any, nisy trano iray nirehitra teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery. Vokatr’izany, vehivavy lehibe iray no naratra mafy vokatry ny fahamaizana sy ny fianjeran’ny hazo teo aminy. Tamin’io ora io, ity vehivavy ity irery no voalaza fa tao an-trano. Nahandro sakafo izy. Ireo mpifanila trano taminy no nahita fa nisy setroka nivoaka avy ao aminy ary avy eo nisy lelan’afo. Tsy naharitra ilay rangahy niaraka nahandro sakafo tamin’ny vadiny ka nijery. Avy hatrany dia naka fanapahankevitra izy ary notondrahany rano avy eny ambony rihana ilay trano nisy afo. Nilazana ny mpamono afo avy etsy Tsaralalana ary vetivety dia tonga ry zareo. Notondrahana rano ilay trano nirehitra. Tamin’io fotoana io no nahalalana fa nisy olona tavela ao. Nahay nitampify ilay ramatoa lehibe ary na dia sarotra aza ny namoahana azy dia nieren-doza izy. Maratra ary nentin’ny “pompier” any amin’ny hopitaly izy. Ny resaka re teny na-toerana hatrany no hilazana fa raha tsy nanondraka rano ilay trano nirehitra ireo mpifanolo-bodirindrina amin’ny dia mety ho zavatra hafa no niseho. Niray feo ny teny an-toerana omaly, fa haingana ny fiasan’ny ‘pompier”. Vao nantsoina dia tonga sady nahafehy ny oand afo izany no nahavonjy ilay vehivavy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser