- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Vaky trano sy fanolanana

Ankorondrano : Vaky trano sy fanolanana

Lehilahy roa no tonga namaky trano tao amin’ny toeram-pivarotana sakafo iray tao Ankorondrano ny alin’ny alatsinainy teo. Very tao anatin’izany ny fahitalavitra kely sy ny kojakoja maromaro tao an-dakozia.  Fa ny tena ratsy tao anatin’izay dia ny fanolanan’ireo jiolahy ny tovovavy iray natory tao. Raha araka ny fantatra dia izy io no sady mpanampy ao no miambina ihany koa amin’ny alina. Tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy nanaovany ny filan-dratsiny, nandritra ilay fandrobàna. Nisy ny fitarainana nataon’ny tompon-trano sy ilay tovovavy niharan’ny fanolanana teny anivon’ny pôlisy ary nisy ny fanadihadiana nosokafana avy hatrany. Efa misy ny olona ahiana ihany manodidina ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser