Afaka mba misento kely indray aloha izany ireo mponina sy mpandalo eny amin’iny faritra Antanimena, Antaniavo sy ny faritry ny lalam-by iny. Voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny UIR, omaly hariva tetsy Ankorondrano mantsy ry Rafanafody sy ny tariny, mpanendaka rain-dahiny sy ikoizan’ireo mponina eny amin’iny faritra iny. Raha ny zava-nisy : tokony ho tamin’ny valo ora alina latsaka teo, vazaha iray nandeha môtô tamin’iny Antaniavo iny no nifanehatra tamin’ireo mpanendaka. Efa nitsirara tamin’ny tany ilay vazaha ary niantso vonjy vao taitra ny olona, raha ny fitantarana raim-pianakaviana iray, teny an-toerana. Heverina araka izany fa mety nazeran’izy ireo teny ambon’ny môtô nentiny ity teratany vahiny ity. Lasan’izy ireo tamin’izany ny sakaosy nentin’ity farany, izay nahitana vola, finday ary solosaina entitanana, raha ny fanazavàna azo. Tsy nianona fotsiny tamin’ny fijerena ity niharam-boina ireo mponina fa niray hina avy hatrany nanenjika ireo mpanao ratsy izay nitsoaka nihazo ny lalamby. Tratran’ny fokonolona tamin’izany ny iray tamin’ireo mpanendaka, tafatsoaka kosa ny namany, nitondra ilay entana nangalarina. Niantoka aina avy hatrany aloha ity voasambotra, satria samy nampihatra ny hatezerany avokoa ireo mponina, efa leon’ity tsy fandriampahalemana ity teny an-toerana. Efa nampandrenesina ny pôlisy ary tonga teny an-toerana, nanala ity tontakely ity tamin’ny hatezeran’ny mponina. Natao avy hatrany ny sahavao tamin’iny faritra iny, izay niafara tany Ankorondrano andrefana, ka nahazoana ilay namany, fantatry ny maro amin’ny petak’anarana hoe, Rafanafody. Malaza ratsy amin’ny fanendahana, famakiana trano ary fanolanana ireto olon-dratsy ireto raha ny filazan’ireo mponina hatrany. Ary efa maro ihany no lasibatra tamin’izany. Tamin’ity hetsika alinalina nahapaingorana an-dry Rafanofody nataon’ireo polisin’ny UIR ity, dia fantatra fa nisy olona telo ihany koa noraisim-potsiny, teo am-pifohana rongony tamin’iny faritra iny.
m.L