Omaly antoandro, raikitra ny fanenjehana olona izay voatondro fa naka kitapo nisy vola hatrany amin’ny 20 tapitrisa. Tetsy Ankorondrano amin’ny làlana ho any amin’ny « Village des jeux » no niseho izany. Araka ny filazan’ireo olona marobe teny an-toerana, olona roa, lahy sy vavy, no nihazo iny làlana iny hanatitra vola amina orinasa iray. Ilay lehilahy no nitondra ilay sakaosy. Rehefa tsy lavitra intsony ilay toerana hanaterana ny vola anefa, voalaza fa nisy lehilahy mihajabe nisintona avy hatrany io volabe io tao anatin’ny sakaosy nisy azy. Nangenahena tsy nahahetsika ireo olona, hoy hatrany ny fitantaran’ireo rehetra teny. Ilay mpisam kosa, avy hatrany dia nihazakazaka niatsinanana nihazo ny arabe malalaka ary naka taxi sendra azy teo. Efa lasa lavitra izy, hoy ireo nahita, vao nikotaba ireo voaendaka niantsovonjy, fa voasintona ny zavatra teny aminy. Tsy niandry ireo tanora marobe sendra teo tamin’io ora io fa lasa nanenjika. Efa dila anefa ilay taxi. Mandeha araka izany ny resaka rehetra nataon’ireo mponina, fa raha mitondra volabe sahala an’izany tokony tsy handeha an-tongotra. Tetsy an-daniny koa anefa, samy nanana izay nandikany ity fanaovana sinto-mahery ity ny olona teny an-toerana. Ny vaovoa hatrany no nilaza fa nangovingovitra teo am-pitoerana fotsiny ilay lehilahy nitondra ny sakaosy.
Feno mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ny lalana rehetra eto Andrenivohitra amin’izao fotoana izao, tsy andro tsy alina ka anjaran’ny tsirairay no mitandrina ary indrindra tsy handeha mitokana amin’ny toerana somary mangina.
r.s.