- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnniversaire Mainty : Mitombo ihany ny maty

Anniversaire Mainty : Mitombo ihany ny maty

Telo herinandro taty aorian’ny fanakalazana tsingerin-taona nahateranana tetsy Ambohimalaza dia mbola mitombo ihany ny isan’ny maty. Ny alin’ny alakamisy teo dia nisy iray namoy ny ainy indray. Nampiakatra ny isan’ny maty ho 26 izany (23 maty tao amin’ny Hjra ary ny telo tany an-kafa), hatramin’ny 16 jona izay nisehoan’ny loza. Raha jerena amin’ireo fahafatesana sesilany ireo dia mbola miady mafy koa izany ireo 14 ambiny izay mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly Hjra. Ny valin’ny fitiliana mba hamantarana ny momba ny poizina nampiasain’ny mpamosavy kosa dia tsy mbola fantatra hatramin’izao rehefa nalefa tany ivelany. Avy amin’io mantsy no tokony hanampy amin’ny famaritana ny fitsaboana ireo olona izay mbola velon’aina. Eo amin’ny lafiny ara-pitsaràna kosa dia toa nangina tanteraka, nijanona hatreo amin’ny fisamborana ireo olona telo izay voarohirohy aloha hatreto. Iza no tena naniraka hanapoizina ary inona no antony? Mbola misitery izany hatramin’izao ary na ny fianakavian’ny maty aza dia miandrandra ny mba hahafantatra an’izany mba ho fialan-tsasatry ny fanahin’ny maty, fa tsy sanatria matimaty foana amin’izao. Mazava hoazy fa handrasan’ireo ny hanasaziana izay tena tompon’antoka. Momba ireo marary indray dia tsikaritra fa mananosarotra ny fitsaboana azy ireo amin’ity tranga ity. Betsaka ny mametra-panontaniana sao tokony halefa hotsaboina any ivelany raha mbola azo hatao ny fitaterana azy ireo? Raha zohina mantsy ny zava-misy hatreto dia mitady ho lasa tsirairay ireo olona ary ny sasany tazomina fotsiny amin’ny “respiration artificielle” sisa. Tanora avokoa ny ankamaroan’ireo ary mendrika ny hialàna nenina hatramin’ny farany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici