- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosiala Ambohidratrimo : Lehilahy maty voatontan’ny vato avy teny ambony kamiô

Anosiala Ambohidratrimo : Lehilahy maty voatontan’ny vato avy teny ambony kamiô

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny kaominina Anosiala iny, ny antoandron’ny alarobia teo. Rangahy, mpamily fiara iray no no maty tsy tra-drano rehefa voatontan’ny vato avy eny ambony kamiô “Benne” iray teny an-toerana. Tao amin’ny fokontany Mandrosoa no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity, “ raha nandraraka vato ny fiarabe iray” hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary. Raha mbola teo am-piasana ity tokoa mantsy ity fiara ity no maty tampoka ny môterany. Tsy tanan’ny hisatra intsony ary dia nitsontsorika nidina ilay fiara. Tamin’io fotoana io, raha ny fanazavana azo hatrany, dia niala tao anatin’ilay fiara ny mpamily ka nilatsahan’ireo vato malao marobe nentin’ny fiarany ihany. Toro tanteraka tao izy. Ireo izay nanatri-maso ny loza, dia samy niezaka nanala ity lehilahy ity tao ambanin’ireo vato, ary nitondra azy haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Ilay fiarabe kosa fantatra fa potika tanteraka ny teo amin’ny lohany. Tonga teny an-toerana moa ny zandary nanao ny fizahana ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana sy ny antony nahatonga ity loza mahatsiravina ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici