- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosiala Ambohidratrimo : Lehilahy natory tao ambany kamiao, maty voahitsaka

Anosiala Ambohidratrimo : Lehilahy natory tao ambany kamiao, maty voahitsaka

Nipotsaka ny tsinainy ary lasa fisaka mihitsy ny lohan’ity lehilahy iray 34 taona, voatetin’ny kodiarana kamiao be iray mpitatitra biriky, tetsy Anosiala Ambohidratrimo, ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary misahana iny faritra iny dia tafatory tao ambanin’io fiarabe io ity lehilahy ity, raha nijanona niandry ny ora ahafahana miditra aty an-drenivohitra izy ireo. Nony nipaika izany ora izany, tsy nahalala akory ny fisian’io lehilahy natory io ny mpamily fa avy hatrany dia namelona ary nandeha. Ny feon-javatra voahitsaky ny kodiarana no nanaitra azy, izay angamba mbola ninoany fa kaly. Akory anefa no hatairana raha nahita ny rà nandriaka sy ilay lehilahy efa tsy nisy aina intsony, torotoro tao ambany kodiarana.

Marihana hoy ny hatrany ny fanazavàna azo fa mpanampin’ny mpamily sy mpitaona ireo biriky ihany ity lehilahy maty ity. Niara-niainga tany an-tanana izy ireo ary voatery niandry ny ora ahafahana miainga mamonjy ny renivohitra io. Nandritra izany anefa dia somary nandray zava-pisotro kely ranamana. Resin’ny torimaso tamin’izany ary namonjy mangatsiatsiaka tao ambany fiara, kanjo dia izao zava-doza izao no nitranga. Tokony ho tamin’ny fito ora mahery tany ho any moa no nisehoan’io loza mahatsiravina io. Tonga avy hatrany teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa zandary. Nentina natao andrimaso sy nanaovana famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary kosa ilay mpamily taorian’izay. Ny razana kosa dia efa nalefa eny amin’ny tranom-paty ary natolotra ny havany taorian’ny fitsirahana natao azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici