Tsy nisy afa-tsy vehivavy iray 22 taona sy ankizilahy kely iray no natory tao amin’ity tsena ity, tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo jiolahy. Mora tamin’ireto olon-dratsy araka izany no nifehy azy mianaka ireto, ary nanararaotra nibata izay zakany tao an-tsena, rehefa avy nandratra azy ireo. Zava-nitranga tao amin’ny fokontany iray, tao Ambohinaorona, Anosiala ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any mantsy no notafihan’ny jiolahy, roalahy tsy nisaron-tava ity tsena kely ity.Nanao an-terisetra niditra tao izy ireo, rehefa avy nanapitsoka ny varavarana tamin’ny alalan’ny « baramina ». Nodarohan’izy ireo avy hatrany ilay vehivavy, ary voa teo amin’ny lohany sy ny handriny. Torak’izany ihany koa no nanavaon’izy ireo ilay ankizilahikely, izay mbola tao anatin’ny torimasony. Rehefa tsy afa-nanohitra intsony ireto farany vao, ary noterena hamoaka ny vola rehetra dia nanararaotra nanao izay danin’ny kibony tao amin’ilay tsena izy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo dia vola mitentina teo amin’ny valo hetsy ariary teo no lasa, niaraka tamin’ny entana maromaro isan-karazany, toy ny menaka, sigara, sns. Nitsoaka toy tsy teo moa izy ireo taorian’izay. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary any an-toerana ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, araka ny vaovao azo.
m.L