Nirefotra ny basy ary nandriaka ny rà tetsy Anosiala Ambohidratrimo omaly antoandro. Aina iray indray no nafoy !
Tokony ho tamin’ny mitaotaovovonana teo ho eo. Nanakoako eran’iny faritra Anosiala iny ny feom-basy. Raiki-tahotra ny olona. Tamin’io fotoana io dia lehilahy iray no nitsirara tao anaty rà mandriaka teo am-povoan’arabe, nipitika lavitra ny kodiaran-droa nentiny. Môtô iray, izay nitondra olona roa kosa no nirimorimo fatratra, niezaka nitsoaka, nihazo an’iny lalana mianavatra iny, mihazo an’i Mahitsy. Raha ny zava-nitranga araka ny fampitam-baovao azo dia handeha hanatitra « versement » an’ny fivarotan-tsolika iray eny an-toerana ity rangahy ity no narahin’ny roa lahy nitondra môtô ihany koa avy ato afara. Toy ireny anaty horonantsary ireny ny zava-niseho, hoy ny filazan’ireo nanatri-maso, satria eny ambonin’izany kodiaran-droa izany ny iray tamin’ireo roa lahy avy ato afara no nikendry ilay olona nitondra môtô teo alohany. Nirefotra indray mandeha ny basy, narahan’ny faharoa. Samy nahazo azy avokoa ny balan’ireo olon-dratsy : ny iray teo amin’ny tongony ary ny iray teo amin’ny lohany. Nipitika avy eny ambonin’ilay kodiaran-droa nentiny ity lehilahy voatifitra. Ireo mpitifitra kosa nanatona azy malaky ary naka ilay sakaosy teny aminy, avy eo niridana nitsoaka. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja izany.
Lasa ireo jiolahy vao sahy nitangorona ny olona nizaha ny zava-nisy. Tao ireo niezaka namonjy ity lehilahy nihoson-drà voatifitra, saingy efa tsy nisy aina intsony izy, raha ny voalaza. Ny bala nahazo ny lohany no nahafaty tsy tra-drano ity mpanatitra « versement » ity, hoy ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana. Ireto farany izay tonga teny an-toerana minitra fohy taorian’ilay fanafihana, saingy efa dify lavitra, tsy hita intsony ireo mpanafika. Nanomboka tamin’io antoandro io ny fikarohana ireo olon-dratsy. Ary hatramin’ny omaly hariva, ora nanoratanay, dia mbola eny an-kianja manohy ny savahao ny faritra rehetra ny zandary tarihan’ny tompon’andraikitra eny an-toerana.
m.L