Vao maraina omaly no nahitàn’ny olona ity zazavavy, tombanana ho manodidina ny 14 taona. Reraka be ny tenany ary nandondona tao amin’ny toeram-pivarotana izay sady fonenan’ny fianakaviana iray koa. Nitaraina reraka be izy ary rehefa nanontanian’ny olona dia miomehy ho azy fotsiny. Izany hoe, mijoro fotsiny fa toa ireny tsy tompon’ny tenany ireny. Na izany aza dia mba nahavita nanamarika ihany izy fa nisy fiara tsy mataho-dàlana izay nanary azy teo amin’ny manodidina. Omaly ihany dia nanaparitaka ny sariny ary nitantara ny zava-nitranga no koa nizara ny laharana ahazoana azy ireo, ilay fianakaviana izay nandray ilay zazavavy. Raha ny fihevitry ny olona dia mety ho nomena zava-mahadomelina ity zazavavy ity ary izay no nahatonga azy ho toa ny tsy tompon’ny tenany. Tsy maintsy any amin’ny fitiliana ny toe-pahasalamany ihany anefa no hahafahana manamarina izany. Raha sendra mitombina izany dia tokony ho mailo indray ny ray aman-dreny ny amin’ny fisian’ny andian’olona maka an-keriny zazavavy ary mampidoroka zava-mahadomelina azy ireo mialoha izay mety ho fanararaotana isan-karazany. Toe-javatra izay efa niverimberina teto amin’ny firenena, taona vitsy lasa izay.
D.R