Manendaka miaraka amin’ny grenady, fitaovana izay fampiasa ao anatin’ny ady efa avo lenta. Miparitaka loatra ny fitaovam-piadiana…
Grenady telo, no saron’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Andian-jiolahy roa samihafa no nahatratrarana an’ireo ary ny itovizany, dia samy “grenade défensive” izany, raha araka ny fanamarihan’ny lehiben’io sampan-draharahan’ny pôlisy io. Tsy izany ihany fa mbola nisy basy poleta P.A telo azo niaraka tamin’ireo olon-dratsy koa, nandritra ny fanadihadian’ireo mpitandro ny filaminana. Ny andian-jiolahy voalohany, dia ireo mpanendaka etsy amin’ny manodidina an’Anosibe. Misy enina ireo voasambotra, ka niaiky fa namono nahafaty tamin’ny alàlan’ny tifitra ilay renim-pianakaviana iray izay nandalo, ka mba nahazoana ny paoketra teny aminy dia novonoina izy. Mbola niaiky ihany koa ireo, fa tompon’antoka tamin’ny fanakanan-dàlana maro amin’iny RN7 iny, eo amin’ny manodidina an’Ambatolampy raha ny fanazavan’ny pôlisy mpanao fanadihadiana. Nanondro ny lehibeny izy ireo. Rangahy iray antsoina hoe Raymond Be no atidoha mikotrika ny fanendahana sy ny fanafihana rehetra, raha araka ny tatitry ny pôlisy. Tsy aiza fa eo Anosibe ihany io farany no mipetraka ary nosamborina tao an-tranony. Natolotra ny Fampanoavana omaly ity andian-jiolahy mpanendaka sy mpanafika ity. Mbola resaka asan-jiolahy izay ihany, dia nohazavain’ny lehiben’ny pôlisy fa sarona koa ny roa tamin’ireo olon-dratsy nanafika sinoa tetsy Ambodimita, tamin’ny zoma lasa teo. Vola efatra tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy, raha hiverenana kely ary andro maraina manodidina ny tamin’ny sivy ora no nanatontosana ny fanendahana. Tsy nanaiky ilay sinoa fa niaro tena sy niaro ny fananany. Nisy arak’izany ny fifandroritana teo amin’ny roa tonta, ka nahalatsaka ny grenady iray teny amin’ny jiolahy. Azon’ny olon-dratsy ihany ny vola. Niainga tsimoramora tamin’ny alàlan’ilay grenady potraka ny fanadihadian’ny pôlisy ary tonga tokoa tamin’ny fisamborana ireo olon-dratsy. Andian-jiolahy roa samihafa samy manana grenady avokoa. Io karazana fitaovam-piadiana io dia tsy misy afa-tsy ny tobin’ny mpitandro ny filaminana no manana azy ary izy ireo ihany koa no afaka mampiasa azy. Tafahoatra loatra ny fihanaky ny fitaovam-piadiana eto amintsika…
D.R
Anosibe – Ambodimita : Grenady telo tratra teny amin’ny mpanendaka
Articles qui pourraient vous intéresser