- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe An'ala : Olona dimy maty navadiky ny lakana

Anosibe An’ala : Olona dimy maty navadiky ny lakana

Mila ho ny antsasaky ny olona nitaingina ilay lakana no indray namoy ny ainy. Ny alarobia teo no nitranga ny loza teo amin’ny reniranon’i Ranomainty, izay mampisasaka an’Anosibe An’ala sy Marolambo, tao amin’ny fokontany Mandroalina, ao amin’ny kaominina Amboasary, distrika Marolambo. Amin’ny andro maraina tokony ho tamin’ny valo ora no nivadika ny lakana. Raha ny tatitry ny zandary dia tsy fahatomombanana teo amin’ny lakana no nahatonga ny loza. Raha vao hiainga fotsiny mantsy dia vaky ilay lakana ka nanomboka dobo rano ary dia nivadika nony avy eo. Olona am-polony avy any Marolambo saika handeha hiantsena tao Sahaofika, ao amin’ny kaominina Ambalaomby, distrika Anosibe an’Ala ireo niharan-doza ireto. Dimy tamin’ireo no namoy ny ainy vokatr’ity loza, raha ny tatitra farany azo omaly hariva. Nisy tamin’ireo mpandeha ireo mantsy no mbola nokarohina tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, ary efa samy hita avokoa omaly. Nisy tamin’izany ny zaza maty teny am-baben-dreniny. Ny sisa kosa dia avotra soa aman-tsara avokoa, araka ny fampitam-baovao hatrany. Isan’ny mahafaty olona betsaka ny loza eny ambony rano, indrindra eny amin’ireny fifandraisan’ny ranomamy sy ranomasina ireny, rehefa mitranga. Matetika mahery mantsy ny onja ary isan’ny nandraràna ny fifamoivoizana an-dranomasina izany any amin’ny toerana maro, rehefa aorian’ny mitataovovonana, mba hiarovana ny ain’ny olona.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici