Nampidirina am-ponja ny 20 aprily ireo telo lahy saika hampiasa ny hevi-dratsiny tao Anosibe Anala, rehefa avy nataon’ny zandary tato anatin’ny vondron-tobim-paritr’i Moramanga famotorana, taorian’ny fiahiahian’ny fokonolona tany an-toerana azy. Nilaza ho mpividy vato sarobidy sy ranomasom-bato izy ireo, nefa tsy nahitana vola akory tany aminy nandritra ny fisavana natao azy ireo. Karazana basy maherivaika no hita teny aminy, toy ny : P.A,basim-boroba,fitoeram-bala efatra feno amin’ireo 09mm, bikibaosy, saron-tava efatra, solovolo, harom-batana ary antsibe. Nitady trano hatoriana izy ireo, satria mpivahiny avy any Antananarivo avokoa, ny harivan’ny alahady 12 aprily. Nangataka ireo taratasy manamarina azy tsirairay avy ny andrimasom-pokonolona fa tsy afaka nanome izy ireo, izay nilaza ho maika ny hody tampoka teo. Nisy nahita azy ireo anefa ny olona sasany teo an-tanàna andro vitsy taty aoriana fa natory tany anaty ala mihazo ny lalan’i Marolambo, izay malaza ho manana harena ankibon’ny tany maro. Teo no nahatonga ny fiantsoana zandary ka niatombohan’ ny sahotaka izay nentin’ireo telolahy nanoherana vahoaka mandra-pahatongan’ny mpitandro filaminana. Naratra ny iray tamin’ireo andrimasom-pokonolona. Tsy nahatohitra ny firaisan-kina nisy teo amin’ireo vahoaka izy ireo ka tratra ary niafara tamin’ny fiaikeny ireo fikasan-dratsiny.
CATHY