Mbola tsy tena alina akory dia efa tonga ny mpangalatra. Minitra vitsy ihany dia niala ny toerana norobainy izy ireo.
Ny alakamisy hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, jiolahy miisa fito nitondra basy mahery vaika, toy ny kalach sy PA, no nanafika mpivarotra mpamongady iray teny Anosibe Angarangarana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy mbola nihidy ny tsena ary mbola nisy ny olona nifamezivezy. Niditra amboletra tao am-pivarotana ireto mpandroba. Nambanana basy ny mpivarotra, sady nitakiany vola. Noho ny tahotra dia voatery nanome 1,9 tapitrisa ariary ireo niharan’ny halatra. Tsy naharitra ela ry zalahy, hoy hatrany ny vaovao, fa vetivety ihany dia lasa nandeha, raha voa nahazo ny vola. Tetsy andanin’izany, tamin’ny fotoana nialany teny an-toerana dia nanapoaka basy indroa ireo olon-dratsy. Izany dia mba hanakiviana ireo izay mety ho sahy hanenjika azy ireo. Tsy nisy olona voan’izany basy izany tamin’ity indray mandeha ity.
Fa raha vao tonga ireo mpandroba ireo dia efa nisy ny nitsoka sifile sy niantso vonjy. Noho ny tahotra anefa, tsy nisy sahy nitondra vonjy ny manodidina fa dia samy nijery ny fandehan-javatra fotsiny teo aloha. Efa lasa elaela ireo jiolahy vao samy tonga nanontany ny zava nisy. Taorian’izany koa vao nampilazana ny mpitandro filaminana. Efa tsy teo intsoy anefa ireo mpangalatra. Tamin’ny fotoanan’ny fandrobana dia hita fa tsy nisy nisaron-tava ireo fito lahy ary nisy tamin’izy ireo nanao akanjo miaramila, hoy hatrany ny vaovao voaray. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
nangonin’i r.s.