Teo amin’ny tongony no niantefan’ny bala. Ny alin’ny alarobia teo, manodidina ny tamin’ny fito ora sy sasany, no nitrangan’izany herisetra izany, tetsy Anosibe. Lehilahy iray avy namonjy toeram-piasàna ka handeha hody no nataon’ireo mpanendaka lasibatra. Saingy tsy nanaiky io farany fa namaly. Teo amin’izay no namoaka basy ireo jiolahy ary nitifitra. Nahay niala ilay rangahy saingy ilay zaza tany aoriana kosa no ratsy vintana ka voan’ny bala. Nahita izany dia samy nitsoaka avokoa nanavotra ny ainy na ireo jiolahy na ny teo amin’ny manodidina. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ilay zaza ary mbola nitohy ny fitsaboana azy omaly. Voaporofo mazava izao fa mitazona basy ny mpanendaka ankehitriny. Vao afak’omaly ihany koa mantsy no nahitàna an’izany tetsy amin’ny làlana Digue, teo Andohatapenaka ny marimarina kokoa. Nitondra basy ireo jiolahy ary sahy ny nanendaka avy hatrany ny olona tao anaty taxi-be…
D.R