Ny talata lasa teo no nanomboka ny fifampiraharahana teo amin’ny lehilahy iray monina eny Anosibe sy ny pôlisin’ny UIR izay nisandoka ho olon-tsotra. Izany dia mahakasika ny fividianana basy Berreta (P.A) izay namidin’ilay olona etsy Anosibe. “Ny alarobia no natao ny fotoana ary izaho mihitsy no nidina teny an-toerana, nanao fanamiana sivily. Nitondra vola ary tena ohatry ny hividy ilay fitaovam-piadiana” raha araka ny fanazavan’ny ofisie Andriamampianina Heriliva, lehiben’ny UIR. Rehefa voamarina fa tena nisy ny basy dia niditra an-tsehatra amin’izay ny pôlisy namana ary nanao ny fisamborana. Lehilahy iray teo no voasambotra teo Anosibe. Nentin’ny Sécurité Urbaine de Tana natao fanadihadiana ary tao anatin’izany no nanome alàlana ny fitsarana ny hisavana trano teo Anosibe. Ody gasy marobe no hita nandritr’izany. Nandritry ny fanadihadiana dia tsy nety nanoro izay nipoiran’ny basy ireo roa lahy. Ny averimberin’izy ireo dia ny hoe nandritr’ireny krizy tamin’ny 2009 ireny no nahitànan’izy ireo ny fitaovam-piadiana. Fomba iray izay matetika hialàn’ny mpanao aferam-basy ihany izany rehetra tratra. Natolotra ny fampanoavana izy ireo ary samy nidoboka am-ponja vonjimaika mandram-piandry ny fotoam-pitsarana. Fitazomana basy tsy misy alàlana, fivarotana fitaovam-piadiana ary fitazomana ody gasy. Ireo ny fiampangana ireo roa lahy.
D.R