Isan’ny mbola mahazo vahana eto amintsika ity resaka entana hosoka, nalain-tahaka amin’ny tena izy, miparitaka eny an-tsena ity. Mbola vitsy anefa ireo sahy mijoro manohitra izany ary mitondra raharaha eny anivon’ireo mpitandro filaminana. Toy ny zava-nitranga teny Tsenan’Anosibe ny herinandro lasa teo.
Orinasa iray no tonga nitairana teny anivon’ny pôlisy ny mahakasika ny fiparitahana entana hosoka maka endrika sy mitovy tanteraka amin’ny « baume relax » kanefa tsy izy eny amin’ity tsena iray eto an-drenivohitra ity. Tsara marihana tokoa mantsy fa manana sampan-draharaha iray ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena miady amin’ny entana halan-tahaka, hosoka sy tsy izy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto pôlisy ireto ka nisy fivarotana efatra no nahitàna ireto menaka mafana tsy tena izy ireto. « Marika famantarana amin’ny taratasy napetaka no hita tamin’ireo fonosana » hoy ny fampitam-baovao. Nogiazana avokoa ireto « baume relax » sandoka ireto izay nahatratra teo amin’ny 983 isa teo. Natomboka avy hatrany teo ho no eo ihany koa ny fanadihadiana ka fantatra fa nisy olona efatra no nosamborina, izay samy mpivarotra entana sandoka avokoa araka ny vaovao voaray. Voalaza kosa fa tsy mbola amin’ireo olona voasambora ireo ny tena atidoha amin’ity resaka fisandohana entana ity.
Isan’ny dingana lehibe amin’ny ady atao amin’ny hosoka tokoa ity nitranga teny Anosibe ity. Ny firarian’ny rehetra dia mba hitohy amin’ireo entana hafa fampiasa andavanandro, miparitaka eny an-tsena izany.
m.L