- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpanao « bras de fer » maty voatsatoka antsy

Anosibe : Mpanao « bras de fer » maty voatsatoka antsy

Ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina, no niheverana fa nitrangan’ity heloka bevava nahafaty an-dRandrianandrasana Herbert, fantatry ny olona amin’ny solon’ananarana hoe Dahery. Tetsy Namontana Anosibe, raha handeha haka azy any amin’ny toeram-piasany, toa ny fanaony isan’andro, ny vadiny dia nisy nampandre fa any amin’ny sampana famelomana aina ao amin’ny hopitaly Hjra i Dahery. Rehefa tonga tany ilay ramatoa dia vatana mangatsiaka no  novantaniny tao. Tsy fantatra mazava ny tena zava-nitranga ary heverina fa aorian’ny fandevenana an’i Dahery, izay nentina any amin’ny tanindrazany any Sambaina-Ambohibary alohan’ny hanitrihana azy ao an-toerana ihany rahampitso (alarobia), vao tena hifantoka amin’ny fikarohana izay nahavanon-doza ny fianakaviana. Raha ny fantatra dia mpiambina (videur) eo anivon’ny bar iray eo Mandrangombato-Anosibe ity raim-pianakaviana izay manan-janaka roa mianadahy ity. Mistery tanteraka ho an’ny fianakaviana ny antony namonoana azy satria amin’izy ireo dia sady olona tsy tia ady no tia filaminana i Dahery. Tia fanatanjahan-tena, tsy misotro ary tsy mifoka itompokolahy. Isan’ny nahafantaran’ny olona azy ny fandraisana anjara tamin’ny fifaninanana “bras de fer” izay nokarakarain’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Lasa fitaratry ny mpiara-monina mihitsy ny lehilahy vokatr’izany ary efa tany amin’ny dingana faramparany rahateo vao raraka. Inona ny tena zava-nitranga? Misy nifandraisany tamin’ny asany izay mpiambina toeram-pisotroana ve sa kosa asan-jiolahy tsotra (vitsy ihany angamba ny mpanendaka ho sahy hitolona bokonozatra izany) sa kosa misy antony hafa? Andrandrain’ny fianakavian’i Dahery ary koa ireo mahafantatra azy ny mba hahitàna ny marina sy ny tompon’andraikitra tamin’ny famonoana. Fantatra fa kartie mafana hatrany ary efa hatrizay, amin’ny asan-jiolahy Anosibe. Na izany aza anefa, ankavitsiana ihany no tonga amin’ny vonoan’olona toy izao raha heverina fa asa fanendahana no nitranga. Amin’izay indray tsatoka antsy tena nentina namonoana mihitsy satria teo amin’ny ambavafoany izany no niletra…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici