Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Anosibe iny. Fivarotana zava-pisotro iray teo akaikina fivarotam-panafody iray teny an-toerana no lasibatry ny asan-jiolahy. Efa-dahy izy ireo, ary samy nitondra basy poleta avy, raha ny angom-baovao azo. Lasa tamin’izany ny vola iray “sachet” izay vinavinaina ho any amin’ny roa tapitrisa ariary tany ho any. Omaly tolakandro no niseho ity fanafihana teny Anosibe ity. Ny vaovao teny an-toerana hatrany no nahalalana fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina toy ireny olona hividy zavatra ireny izy ireo, izay samy miboredika amin’ny teny avy any Atsimo. Tampoka teo anefa dia niditra tao amin’ilay trano fivarotana izy rehetra ary samy namoaka ireo basy poleta tany aminy tany avy, sady nandrahoana ny mpivarotra hanome ny vola. Natao anaty harona plastika izay vola rehetra tao amin’ity “bar” ity ary lasa nitsoaka izy ireo nony avy eo. Ho fampitahorana izay fokonolona mety hahasahy hanaraka azy ireo dia nanapoaka basy ireto olon-dratsy. Soa ihany fa tsy nisy voa ireo mpandalo teny amin’ny manodidina. Raha ny fantatra dia nizotra nihazo ny lalana Anosimpatrana iny ireo andian-jiolahy ireto. Tonga teny an-toerana avy hatrany taorian’ny antso vonjy moa ny pôlisy maromaro, nanao savahao ny manodidina. Saingy efa nanjavona tanteraka sy nafenin’ny elakelan-trano ireo mpanafika ireto. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny pôlisy ary mbola mitohy ny fikarohana azy ireo.
m.L