- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Endaka sy vaky trano, tovolahy voasambotra

Anosibe : Endaka sy vaky trano, tovolahy voasambotra

POL-(2)Ny sabotsy 15 febroary vao maraina tamin’ ny iray ora no tratran’ ny vaomieran’ ny fandriam-pahalemana sy ny polisim-pirenena  teny Anosibe ny tovolahy iray fantatra fa tena kinga tokoa amin’ny halatra, endaka sy vaky trano. Tratra teny aminy ny fitaovana fitondrany rehefa manao ny asa ratsiny izy, toy ny “barre à pince”, antsy, ary basy kilalao. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa maro ny olona efa nitondra faisana tamin’ny endaka nataony. Marihina fa vao feno 18 taona ity jiolahy ity amin’izoa fotoana izao. Efa elaela ihany anefa no nanaovany ny halatra. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nilaza ny anao lahy fa ireo zavatra tratra teny aminy dia nolazainy fa vola sy entana nomen’ny namany azy. Rehefa nohamarinina anefa izany dia hita fa tsy mitombina. Ireo farany ireo moa dia karohan’ny mpitandro filaminana fatratra amin’izoa fotoana izao. Eny amin’iny faritr’Anosibe iny sy ny eny amin’ny lalamby eny La Réunion kely no tena fanendahany, hoy hatrany ny vaovao. Rehefa alina, eny amin’iny toerana fanendahany iny ihany, izy no voalaza fa matory. Omaly ity jiolahy ity no natolotra ny fitsarana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser