Nandamoka indray ny teti-dratsina andian-jiolahy maromaro teny Anosibe tamin’iny herinandro iny. Raha ny fantatra, dia jiolahy teo amin’ny enin-dahy mirongo basy kalaky no saika hanafika tranombarotra iray teny an-toerana. Noho ny fifanampiana teo amin’ireo fokonolona anefa, dia afaka nampandre haingana ireo mpitandro filaminana ireto izy ireo. Tonga ara-potoana ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-5 tetsy Mahamasina. Raikitra ny fifampitifirana ka jiolahy iray no fantatra fa voa teo amin’ny tongony. Sarona niaraka tamin’izay ihany koa ny basy “kalach” iray nentin’ity ranamana ity, niaraka tamin’ny bala 22 . Nentina notsaboina tany amin’ny hôpitaly moa ity jiolahy naratra ity, raha tafaporitsaka kosa ireo namany hafa. Fantatra fa izany “dadafara” izany no anaran’ity jiolahy ity ary isan’ireo atidoha ao ambadik’ireo fanafihana maro. Isan’ilay jiolahy tafaporitsaka teny Ambodimita ihany koa izy, raha maty voatifitra ny namany. Tamin’ny fanadihadiana an-dRadadafara anefa no nahafahana nisambotra ireo namany dimy lahy taty aoriana. Araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitry ny pôlisy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, dia efa jiolahy rain-dahiny mpikotrika ireo fanafihana mitam-piadiana eto An-drenivohitra ireto voasambotra ireto. Ity basy “kalach” ity rahateo no fentin’izy ireo manafika, ary mbola ity basy ity hatrany ihany koa no nentin’ireo enin-dahy nanafika teny Ambohimirary sy nahafaty ilay tovolahy mpianatra kaomoriana. Azo heverina araka izany, fa mety ho tambajotra iray ihany ireto voasambotra farany ireto sy ireo olona sivy voarohirohy tamin’iny raharaha nahafaty teratany vahiny iny.
m.L