Efa somary elaela, raha ny fampitam-baovao azo no efa tonga teny am-poto-tsofin’ny pôlisy ny fisiana fiara mitatitra rongony avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny, tonga eny amin’iny faritra Anosibe iny. Natao avy hatrany ny fanadihadiana, hahafahana mitily izany fiara izany, izay nosahanin’ireo pôlisy avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny pôlisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny ora maraina tany ho any, dia tsikaritra tokoa ny fisiana fiara iray, nihazo ny tsenan’Anosibe, avy any amin’ny faritra. Nanatona avy hatrany izany fiara izany ireo pôlisy ary niroso tamin’ny fisavàna. Tetsy andanin’izay anefa, raha vao hitan’ireo olona miisa telo tao anatiny fa nanatona ireo pôlisy, dia navelan’izy ireo teo ilay fiara ary nitsoaka avy hatrany ireto farany. Nisava ny tao anatiny ihany ireo mpitandro filaminana ka tamin’izany no nahitàna rongony maina tamin’ny gony maromaro (nahatratra tany amin’ny 14 isa tany ho any) tao anatin’ity fiara ity. Nentina nogiazana avy hatrany moa izany fiara izany niaraka tamin’ireo “entana” tao anatiny. Tamin’io ihany koa dia efa nandeha ny fikarohana ireo olona nitsoaka sy tompon’ireto rongony ireto. Tsy niandry ela anefa fa ny antoandron’io dia voalaza fa tonga teny anivon’ny pôlisy, nitolo-batana ny mpamilin’ilay fiara. Notanana avy hatrany natao andrimaso moa ity farany, ho amin’ny fakàna am-bavany azy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
m.L