- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Fidarohana zanaka, rangahy iray MD

Anosibe : Fidarohana zanaka, rangahy iray MD

Nidoboka eny Antanimora ilay raim-pianakaviana. Izy mivady aloha no nosamborin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny alatsinainy teo, tao an-tranony tao Anosibe-Namontana. Vao maraina tamin’ny valo ora dia efa tonga ny mpitandro ny filaminana. Ny anton’izany dia noho ny daroka nataon’izy ireo tamin’ny ny zanany, valo taona. Ny alin’ny alahady no naheno zaza niantso vonjy ny manodidina ka nivoaka ny trano mba hamonjy azy. Ny zava-nisy anefa, rehefa tena tonga teo amin’ilay tokantrano ny olona dia nangina tampoka indray ilay zaza. Tsy sahy nitsofoka tao an-trano ny manodidina satria nihidy ny vavahady mizotra ao anatiny.Tsy nandry saina ny fiaraha-monina nanoloana ny zava-nisy ary nanantona ny fokontany vao maraina ny ampitson’iny. Ny tompon’andraikitry ny fokontany indray nony avy eo no nanatona ny polisy avy ao amin’ny sampana miadidy ny zaza tsy ampy taona (PMPM) etsy Anosy. Raikitra avy hatrany ny fidianana an-tsehatra tao amin’ilay tokantrano ary nosamborina ny ray aman-drenin’ilay zazavavy. Natao ny fanadihadiana tetsy Anosy ary avy amin’ny alalan’izany, raha araka ny fanazavan’ny polisy, no nahalalàna fa efa mpiadaroka ilay zaza ilay rangahy. Isaky ny avy miasa raha ny fanazavan’ny mpiara-monina no tena matetika nisehoan’izany. Etsy andanin’izany, hita maso fa sady tsy ampy sakafo ilay zaza no tsy voakaraka ihany koa. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy mivady ary nanapa-kevitra ny mpitsara ny nitazona vonjimaika eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nidaroka zaza. Vitsy ny olona no sahy mampandre ny manam-pahefana rehefa misy ny olana izay hitan’izy ireo eo anivon’ny fianakaviana iray. Ny antony dia eo ihany ny kolontsaina ny amin’ny hoe raharahan-tokantrano izany ka tsy misy tokony hidiran’ny hafa. Fa ny tena antony izay akaiky kokoa dia ny fatahorana sao hifatratra any amin’ilay mpitoroka indray ny fahasahiranana. Ny tsy fandraisana andraikitra toa izany anefa dia azo raisina ho firaisana tsikombakomba amin’ny fampijaliana ilay zaza. Azo deraina arak’izany ny fihetsiky ny fiaraha-monina tetsy Anosibe-Namontana tamin’ity tranga ity, tsy nisalasala izy ireo ny nampandre ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici