- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Italiana voaendaka tao anaty taxi

Anosibe : Italiana voaendaka tao anaty taxi

Amin’ny andro antoandrobe nanahary, no nitranga ny fanendahana omaly tetsy Anosibe. Tamin’ny 11ora sy sasany no nisehoan’izany ary teratany vahiny Italiana mpizahatany raha araka ny fanampim-panazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, no nitondra faisana. Nidiran’ ny roalahy tao anatin’ilay fiara mpitatitra izy sy ilay vehivavy gasy niaraka taminy. Nambanana tamin’ny fitaovam-piadiana ary noterena hanome izay rehetra nananany. Mazava hoazy, fa tsy nifandray akory ny teny nampiasaina, saingy ny fihetsika fotsiny teo dia efa afaka namantaran’ilay vahiny fa jiolahy no nifanehitra taminy. Lasa ny vola 1,6 tapitrisa ariary sy ny kojakoja teny amin’ilay vazaha. Saingy ny tena nampalahelo azy dia ny nahalasan’ny taratasy rehetra izay ilainy amin’ny fiainana andavan’andro. Isan’izany ny pasipaoro. Tao anatin’izany sahotaka izany dia nanapakevitra ny nitsoaka ihany koa ilay vehivavy sakaizan’ilay Italiana. Nahatonga ny maro nieritreritra izany, sao dia mba nisy firaisana tendro tamin’ireo olon-dratsy ny tenany. Isan’ny manahirana ny mpizahatany, ny fitondrana pasipaoro mandehandeha rehefa eto Madagasikara. Ny antony dia  efa fantatr’izy ireo mazava tsara fa tany mahantra ilay alehany ary mety ho voaendaka izy amin’ny fotoana rehetra. Amin’ny lafiny iray koa anefa, misy indray koa ireo mpitandro ny filaminana izay manararaotra izany ka « manotra » ireo izay tsy manana taratasy (pasipaoro), eny fa na dia efa manazava ny antony aza ireo vahiny, toa ny hoe najanona any amin’ny hotely sao sanatria misy manendaka etc. Matetika dia aleon’ireo vahiny manajanona ny taratasiny any amin’ny toerana atokisany dia manao kolikoly (mametraka kely araka ny fitenenana ankehitriny) amin’ireo mpitandro ny filaminana, toa izay mitondra ny taratasiny mandehandeha, kanefa mety ho lasan’ny olon-dratsy. Raha io kisary faharoa io mantsy no mitranga, dia mbola lavabe ihany koa ny làlana andehanany ary mila fotoana sy kolikoly be lavitra noho ny haloany amin’ny kisary voalohany. Eo koa mantsy dia mbola « maka kely » isan’ambaratongany ilay hizoran’ny taratasy. Efa fantatry ny vazaha, indrindra izay monina na koa mandalo eto Antananarivo ny fisian’izany tranga izany ary matetika aza dia ataon’ireo fifosana fotsiny reheha tafaraka ireo. Ny vahaolana itambarany matetika, dia ny fanaovana dika mitovy ny pasipaorony, dia iny no entina mandehandeha. Dia manome kely ireo mpitandro ny filaminana rehefa somary mila vaniny izy ireo amin’ny fisavana taratasy. Tsy misy tsy mahafantatra an’izany « fanao » izany intsony, indrisy, ny ankamaroan’ny vahiny eto amintsika…

Didi R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser