- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Jiolahy dimy nirongo basy nanafika, voasambotra ny iray

Anosibe : Jiolahy dimy nirongo basy nanafika, voasambotra ny iray

Nisehoana fanafihan-jiolahy ny teny Anosibe ny alin’ny alakamisy lasa teo. Araka ny fantatra dia niisa dimy izy ireo, samy nirongo basy avy, saika hanafika mpivarotra iray teny an-toerana. Ny efatra tamin’ireto olon-dratsy dimy ireto no niandry tety ivelany. Nanao amboletra niditra tao an-trano kosa ny iray. Raha ny fanazavana nomen’ny mpitandro filaminana dia efa nahatsikaritra ny fihetsik’ireto olona nihaodihaody teo am-baravarana izy ireo. Raha vao nahita izany ireo namany dia nitsoaka nandositra. Naheno izany ihany koa ny tompon-trano, raha ny filazan’ireo olona nahita ity tranga ity ka taitra sy niezaka nisambotra ilay iray efa tafiditra tao an-trano, izay efa noraisim-potsiny. Efa nanomboka nitangorona ihany koa ny fokonolona. Nentin-katezerana loatra tamin’ny fisesisesin’ny asan-jiolahy tato ho ato izay. Efa raikitra ny vono sy daroka isan-karazany. Efa nandeha mihitsy aza ny feo teny an-toerana fa hodorana ity olon-dratsy tratra am-bodiomby ity. Saingy voasakan’ny mpitandro filaminana izany. Marihina fa tsy mbola nahazo na inona na inona ity jiolahy ity. Mitohy ny fikarohana ireo namany hafa tafapotsisaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser