Efa hila hampiteny ny moana mihitsy ity resaka tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra ity. -kafe sy mofo iray indray no notongavan’ireo olon-dratsy ny alin’ny alatsinainy teo, teny amin’iny faritra Anosibe ity. Mbola tsy fantatra mazava hatreto izay vola lasan’izy ireo tamin’izany. Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo ho eo no niseho ny fanafihana. Niisa teo amin’ny efatra teo izy ireo, raha ny fantatra hatrany, ary nirongo basy poleta, izay mbola tsy fantatra mazava na tena izy na kilalao fotsiny ihany. Na izany na tsy izany anefa aloha dia nahomby ny asa ratsin-dry zalahy ireto. Inoana marimarina mantsy fa tsy maintsy natahotra ireo tompon-trano ka namoaka izay mba hany volany tao an-tranony, izay lasan’ireo olon-dratsy. Dia efa tsy mifidy asiana tokoa ve ireo olon-dratsy fa izay sendra ny diany aloha dia mahamay ? Amin’ny eritreritry ny rehetra mantsy, mpivarotra kafe sy mofo ve hisiana vola an-tapitrisany maro, ka tokony hampitsiriritra mpangalatra ? Ekena fa efa manao ny asany ary tsy mikely soroka amin’izany ireo mpitandro filaminana. Porofon’izany ireny voasambotra ireny, ary manginy fotsiny ireo jiolahy rain-dahiny maty voatifitra. Kanefa toa mbola tsy ampy ihany izany, raha ny hevitry ny besinimaro. Maty ny eo mantsy, voasambotra ny hafa, kanefa ny hafa manao ny ataony foana. Tato ho ato izay, saika isan’andro isan’andro dia hahenoana fanafihana mitam-piadiana foana eto an-drenivohitra. Nisy teo fikaonan-doha momba ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity, nifandrimbonan’ireo mpiantsehatra maro tamin’izany. Ny antenain’ny rehetra dia mba tsy hijanona ho resaka “mandany jiro” sy ambony latabatra fotsiny ny tao fa mba hisy vokany marina eny amin’ny fiainam-bahoaka.
m.L