Mirongatra ny asa fanendahana amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra
Nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ny teratany karana iray manana fivarotana eny Anosibe Tsena, fa nisy nanendaka izy tamin’ny 30 septambra lasa teo. Very tamin’izany ny vola 3 tapitrisa ariary. Tsy niandry ela ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 Mahamasina fa andro iray taty aoriana dia olona telo no nosamborina. Voatondro izy ireo ho nanao ny asa fanendahana. Ny iray mpiambina tsena R. Hajamanana, 30 taona. Ny faharoa mpibata entana eny an-toerana antsoina hoe Jean de Dieu, 20 taona, ary ny fahatelo dia izany R. Jean Claude izany, tsy ampy taona.
Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana, fa i Hajamanana sy ireo mpiara-miasa aminy no naniraka roalahy mpibata entana, mba hanendaka ilay karana. Tsy nijanona teo ny raharaha, voalazan’ny vaovao fa nosavoritahan’ireo mpiambina ny tsena izay naniraka azy roalahy indray ilay vola avy eo. Amin’izao fotoana izao, mbola misy mpiambina hafa tadiavina.
Jiolahy telo hafa. Ankoatra ny fisamborana ireo nanendaka eny amin’ny tsenan’ Anosibe, misy olona telo hafa koa tratran’ny polisy amin’ny asa fanendaha sy fisolokiana. Mbola tamin’ny 30 septambra ihany, tratran’ny polisy ny olona roa manendaka eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eny Anosibe, Ankadimbahoaka ary eny amin’ny Fasan’ny Karana. Lehilahy iray hafa koa no nosamborin’ny polisy tamin’ny alarobia teny Mahamasina. Zavatra roa loha no nisamborana azy. Voalohany, misandoka ho mpiasan’ny fokontany izy ary manana karatra maha tompon’andrikitra azy. Hita tany aminy koa ny fitomboka sandoka. Faharoa, voalazan’ny vaovao koa fa manendaka eny akaikin’ny WC Anosy izy io.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy enina ireo.
r.s.