Nandriaka ny rà, teny amin’iny faritra Anosibe tsena iny, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any. Lehilahy manodidina ny 40 taona eo ho eo no maty voahitsaky ny taxi-be. Hatreto dia tsy fantatra mazava anefa izay tena antony nahatonga ny loza. Ny filazan’ireo olona nanatri-maso, dia toa hoe manana aretina ilay rangahy ary tamin’io fotoana io dia niakarapoka tamin’ny tany. Iny izy niakarapoka iny anefa no nifanandrify indrindra tamin’ity fiara fitateram-bahoaka ity, izay afa-nandeha mafy akory noho ny fitohanana mahazatra eny an-toerana. Tafasitrika tany ambanin’ny fiara ny tenany, dia voapotsitra tao. Etsy andanin’izay, ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana, dia nilaza fa nisy olona nisangisangy taminy tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Voatosika tsy nahy tany amin’ny arabe izy, nianjera ary niafara tany ambanin’ilay taxibe 187. Ny lohany no voarain’ny kodiarana aorinan’ity fiara ity ary dia maty tsy tra-drano ilay rangahy. Isan’ireo olona mikarama mibata entana eny amin’iny faritra ity rangahy ity, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Tsy fantatra kosa anefa na aiza no izy no mipetraka na aiza. Tsy nisy taratasy afaka namantarana azy ihany koa teny aminy, araka ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ny razana, miandry ireo fianakaviany azy. Amin’ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana olona tahak’izao, na inona na inona antony mantsy, dia tazonina hanaovana fanadihadiana ilay mpamily, ary tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’ny vono olona tsy niniana natao mantsy izay tranga izay.
m.L