- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Lehilahy voaendaka, maty voatsatok’antsy

Anosibe : Lehilahy voaendaka, maty voatsatok’antsy

Lehilahy iray manodidina ny 30 teo ho eo no namoy ny ainy taorian’ny tsatok’antsy nahazo azy, teny amin’iny faritra Anosibe iny, ny zoma alina lasa teo. Araka ny fanazavana azo dia niharan’ny fanendahana izy, niaraka tamin’ny namany iray, raha teny an-dalana hamonjy fodiana iny. Mpivarotra avy eny Andravoahangy izy ireto, raha ny fantatra avy tamin’ny mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo ho eo no nitrangan’ny tsy nampoizina. Andian’olona teo amin’ny dimy teo, raha ny fanazavana azo no avy hatrany dia nanakana ny dian’izy ireo. Izy ireto izay marihina fa tsy nandeha tongotra fa nitaingina bisikleta. Nisy sasany tamin’ireo olon-dratsy avy hatrany dia nitazona ny familiana ka tsy nahafan’izy ireo nihetsika. Toa efa fantatr’ireto olon-dratsy ny fisian’ny vola matin’izy ireo tamin’io fotoana io ka avy hatrany dia izay no novantaniny. Voambana tamin’ny sabatra izy roalahy ireto ka tsy afa-nihetsika. Tsy fantatra mazava hatreo izay zava-niseho. Angamba somary nanohitra ireto roalahy niharan’ny fanendahana ireto ka tsy nisalasala ireo olon-dratsy nanindrona antsy azy sy nitsoaka niaraka tamin’ireo vola sy ny bisikleta. Olona sendra nahita no nitondra azy ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana, nitsirara teo amin’ny arabe efa nihosin-drà tanteraka. Nony ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsoy ny ain’ity lehilahy ity. Naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny toeram-pitsaboana kosa ilay namany, izay voa teo amin’ny kibony. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao, raha ny fantatra hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici