- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Lehilahy voatsindrona antsy teo amin’ny kibony

Anosibe : Lehilahy voatsindrona antsy teo amin’ny kibony

Omaly maraina be, tamin’ny 5 ora tany ho any, lehilahy iray handeha hamonjy asa no sendra olon-dratsy. Tonga dia notsindronin’ireo nifanena tamin’ny antsy teo amin’ny kibony ity olona ity. Fanina izy vokatr’izany ary nianjera tamin’ny tany. Ny vaovao no nahalalana fa tsy voaendaka akory izy fa rehefa hitan’ireo namely azy fa lavo dia navelany teo. Raha izany, tsy fanendahana no nahazo azy fa zavatra hafa mihitsy. Ao ireo milaza fa miendrika valifaty ity zavatra ity. Raha vao nandeha ireo nahavanona ny fanindronana antsy dia mbola nahatsiarao tena tsara ilay lehilahy. Afaka nandeha nilaza ny nahazo azy tany amin’ny fiankaviany izy. Tsy niandry ireo fa nitondra azy teo no ho eo tany amin’ny hopitaly. Bebe ihany ny rà very tamin’ny ratra nahazo ilay lehilahy.

Amin’izoa fotoana izao, tsy fantatra intsony izay zavatra miseho etsy sy eroa. Misy ny tena fanendahana tsotra izao. Raha ity teny Anosibe ity indray anefa dia toa lonilony fotsiny no nanindronana antsy olona.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser