Saika eny amin’iny faritra Anosibe iny avokoa no maka entana ireo mpivarotra eny amin’ireo tsenam-pokontany eto an-drenivohitra, izay manana ny lanjany tokoa amin’izao fihibohana izao. Mazava ho azy, matoa hividy entana izay dia mitondra vola. Araka izany dia lasa tokotany filalaovan’ireo mpangarom-paosy sy totakely eny an-toerana.
Voatery mandeha an-tongotra ny ankabeazan’ireo tompona tsenakely, na io « epicerie » na ireo mpivarotra legioma eny amin’ireo fokontany isanisany eto an-drenivohitra, noho ny tsy fisian’ny fiara fitaterana. Ny sasany moa, raha mbola te hanana entana sy manana isafidianana any amin’ireo mpamongady etsy Anosibe, dia voatery miala vao mangiran-dratsy any amin’ny toerana misy azy tsirairay any. Ny vola hividianana entana tsy maintsy atao am-balahana, araka ny fitantaran’ny tompon’ny tsenakely teny amin’iny faritra Alarobia iny. Araka izany dia ireny olona ireny indray no ataon’ireo mpanendaka lasibatra eny amin’iny faritra Anosibe iny, ary manararaotra tanteraka ny fahabetsahan’ireo mpiantsena ireo olon-dratsy.
Anisan’ireny ireto mpanendaka roa lahy tra-tehaky ny polsim-pirenena teny an-toerana, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto roa lahy ireto, hoy ny fampitam-baovao azo. « Ankoatra ny andraikitra lehibe sahanin’ny polisim-pirenena amin’ny famehezana ny valan’aretina covid -19 dia mitohy ny asa fitandroana ny filaminana ». Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy moa ireto roa lahy ireto ary natao andrimaso sy famotorana alohan’ny hanolorana azy eny am-pelatanan’ny Fitsaràna.
Maro tokoa ireo olon-dratsy manararaotra amin’izao fihibohana izao. Asa, entanin’ny tsy fisiana tokoa ve sa tanana efa zatra mitsotra ? Na izany na tsy izany « tsy sasatra ny eo anivon’ny polisim-pirenena manentana ny tsirairay hampilaza amin’izy ireo amin’izay trangana tsy fandriam-pahelamana misy any anaty fiaraha-monina any ». Misy mihitsy moa ny laharahana ahafahana miantso azy ireo, dia ny 034 05 531 20 sy ny 020 22 281 70
m.L