- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe Mandrangobato : Mpisoloky mpivarotra trano nosamborin’ny polisy

Anosibe Mandrangobato : Mpisoloky mpivarotra trano nosamborin’ny polisy

Efa fanaon’ireto olona nisy nitory eny amin’ny polisy ekonomika Anosy ireto no misoloky amin’ny alalan’ny varotra trano sy tany. Raha vantany nisy nitory izy ireo, noho ny raharahan-tany sy trano eny Anosibe Mandrangobato dia nipoitra avy any ihany koa ny olona maromaro nitory azy ireo. Nosamborina omaly ny olona telo raha karohina kosa ny fahefatra. Araka ny fanazavana avy amin’ny mpitory, nisy varotra nifanaovan’izy ireo ny volana novambra  2020 lasa teo, ka tany sy trano eo amboniny mitentina 90 tapitrisa Ar no nivadihan’ireo olona ireo. « Natao ny  fifampivarotana ka ny 9 desambara 2020 natao ny taratasy momba izany. Efa voarain’ireo olona ireo ny vola 84 tapitrisa ariary ny 16 desambra 2020, ka  raha haka ny taratasy sy ny fanalahidin’ny trano no nivadika ireo olona ireo », hoy ny fanazavana. Voalaza fa nisy tokoa ny taratasin-tany ara-dalàna tamin’ny fifampivarotana ary misoratra ara-panjakana mihitsy ny tany rehefa nohamarinina. Nampiasa olona mpanera anefa ireo tompon-tany tamin’ny fifampivarotana, nanaovana taratasy nisy vavolombelona mihitsy. Rehefa voaray anefa ny vola, nivadika ny rasa, nilaza indray ireo tompon-tany fa tsy nivarotra ny tany sy ny trano izy ireo, ka ireo mpividy izay saika haka ny lakilen’ny trano efa novidiny indray no nitsofany kiririoka toy ny mpangalatra. Teo no nifamahofaho ny raharaha, ka niditra an-tsehatra ny mpiasan’ny antenimieran-doholona teo aloha, nampitahotra ireto mpividy. Vokatr’izany, nametraka fitoriana ireto farany tany amin’ny polisy ekonomika, ny 22 desambra 2020. Ny alatsinainy 4 janoary teo, nisy ny fisamborana nataon’ny polisy ireo olona ireo. Ny iray no tratra tamin’izany, fa omaly kosa vao hita ny roa. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha, ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela. Araka ny voalaza ery ambony, mitombo ny isan’ny mpitory ireto olona ireto.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici