- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Manjaka ny fanendahana mpandeha taxibe

Anosibe : Manjaka ny fanendahana mpandeha taxibe

Mpanendaka iray, niaraka tamin’ny namany no azo sary, omaly, tetsy Anosibe. Teo am-pisintonana zavatra olona tao anaty taxibe.

Anisan’ny faritra iray tena mahamay amin’ny resaka fanendahana raha iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Na dia manao ny asany sy hita mivezivezy eny aza ny pôlisy, dia tsy misy tahotra intsony ireo tontakely manao ny asa ratsiny. Omaly dia niparitaka tao anaty tambajotra sosialy ny horonantsarin’ olon-dratsy anankiroa, nisintona zavatr’olona tao anatin’izany fiara izany. Nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo rehefa avy nahavita  ny asa ratsiny. Raha ny hita tao anatin’ilay horonantsary : ny iray   efa nihanika ilay fiara, izay mbola tafajanona sy tavela tao anaty fitohanana, ny iray kosa niezaka namoha ny varavaran’ny fiara. Nony hitan’izy ireo fa hanainga amin’izay ilay fiara, toy ny tselatra, sy tao anatin’ny indray mipi-maso monja ny nisintonan’ilay iray efa tafahanika ilay fiara ny entan’ny mpandeha iray nipetraka teo amin’ny seza aorian’izany taxibe izany. Olona tao anaty fiara, taorian’ity taxibe ity moa, raha ny fahitàna ilay horontsary no nanatri-maso sy naka sary azy ireo.

Efa hiaraha-mahalala tokoa ny fitohanana lavarenin’ny fifamoivoizana eny amin’iny faritra iny, indrindra fa  io manandrify ny tsena io, izay misy ny “rond point” mihazo an’Andavamamba iny. Mazàna dia manararaotra izay fitohanana izay sy ny fahamaroan’ny olona ireo tontakely no manao ny asa ratsiny. Efa maro tokoa ireo efa mpandeha fiara, tsy taxibe ihany fa hatramin’ny fiara tsotra aza no lasibatra sy velon-taraina noho ny afitsok’izy ireo. Vao tsy ela tokoa mantsy izay dia mpandeha iray tao anaty taxibe, nipetraka taorian’ny mpamily no saika nahazoan’izy ireo finday. Efa nanakatona fitaratra teo akaiky ity farany saingy teo amin’ny varavarakelin’ny mpamily no nezahin’ilay tontakely nisintonana ilay finday teny an-tanany. Soa ihany, voatazon’ity mpandeha mafy ilay finday, raha tsy izany dia efa lasa. Nony tsy nahavoa moa ingahirainy dia nitsoaka sy mody nifangaro tamin’ireo olona marobe teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici