- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mirongatra ny fangalarana sarety sy ireo entana taomina

Anosibe : Mirongatra ny fangalarana sarety sy ireo entana taomina

Tsy iray, tsy roa, fa efa maromaro ihany ireo mpiantsena, indrindra fa ireo mpandeha maraina no mitaraina amin’ny ataon’ireo mpitaona entana sasantsany eny amin’ny tsenan’Anosibe eny. Misy mantsy, tsy tahotra tsy henatra tsotr’izao, fa vitan’izy ireo ny manary ilay tompon’entana eny an-dalana ary mitondra ilay entana entin’izy ireo any amin’ny lalan-kafa. Ny alarobia teo moa dia sendra ny nahay azy ireto tontakely ireto. “Tamin’io fotona io dia vary iray gony, izay nasaina notaominy no nentiny naviliny lalana ka nafeniny. Manoloana izany fahaverezana entana izany dia niantso polisy ilay tompony”, hoy ny loharanom-baovao. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto mpitandro filaminana ireto ka niezaka nitady ity dôkera mpangalatra ity. Tsy ela akory dia hita ny anao lahy, izay tao an-tsena ihany, mety niandry izay ho hazany manaraka indray angamba. Niaiky ny zava-dratsy nataony ny lehilahy ary “ izy ihany avy eo no nanondro ny toerana nanafenany ilay vary iray gony”.

Fa tamin’io andro io ihany, tovolahy iray ihany koa no nosamborina tao an-toerana. Ity farany, izay mpitaona entana ihany koa, dia voarohirohy tamin’ny halatra sarety taritin-tanana iray, izay very teny amin’iny faritra Anosibe iny ihany, ny alahady lasa teo. Taorian’ny fahaverezana dia nametraka fitoriana ilay tompon’ny sarety ary nandray an-tanana ny raharaha sy nanomboka ny fikarohana ireo pôlisy.  Mazava ho azy fa sarety tsy maintsy hitondràna entana iny, ary tsy maintsy hampiasain’ireo izay nangalatra azy ao an-tsenan’Anosibe ihany. Tamin’io alarobia io araka izany dia hita tao tokoa ilay sarety very. Lehilahy iray 25 taona no nitondra azy. Tsy afa-niala intsony ihany koa ingahirainy satria dia tsy nisy niova ilay sarety ary fantatry ny tompony tsara. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa izy ireo hanaovana famotorana ary notanana natao andrimaso tao ihany. Mbola mitohy ny fanadihadiana, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Satria azo heverina tokoa fa mety tsy ho izy roalahy ireto ihany no mpangalatra ao amin’io toerana fa mety namany ary mety efa maro na tambajotra iray mihitsy aza. Na izany na tsy izany anefa, tsara ny manamarika fa misy dia misy tokoa ireo olona, mpitaona entana, manao sy manaja ny asa ara-dalàna ao an-toerana, saingy voalaza hatrany moa fa ny saonjo iray lohasaha tsy hilaozan’izay hamarara…

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici