Eny Anosibe no toerana fanatontosana ny « bizna » maloto. Lehilahy roa no tompon’antoka ary samy voasambotry ny polisy misahana ny fisamborana jiolahy rain-dahiny (Service Anti-Gang) izy ireo. Miompana any amin’ny fitohizan’ny fanadihadiana ny andrandraina ankehitriny, satria raha tsy hita ny nipoiran’ireo vola sandoka ireo dia mety hamerin-keloka hatrany fa hiova toerana fotsiny ny olon-dratsy. Mila giazana ny milina fampiasan’izy ireo, ankoatra ny fitadiavana ny tena atidoha nikotrika. Matetika mantsy dia miasa anaty tambajotra ny mpanao vola sandoka. Ao ny mpikirakira solosaina, ny havanana amin’ny printy ary ao koa ny mpanaparitaka fotsiny ny vola sandoka vita. Ireto tetsy Anosibe dia manodidina an’izany no tena anjara asan’izy roa lahy. Mivarotra ny vola sandoka amin’ny vola tena izy. Etsy andanin’izany ary mbola mifanandrify amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy hatrany dia nanao fisamborana faobe tetsy Isotry ny sampan’ny polisy SAG. Ireo mpifoka rongony teo akaikin’ny faritra mena eny an-toerana no nidinana tampoka ary nosamborina. Ireo olona ireo ihany no manendaka eo an-toerana rehefa avy mifoka zava-mahadomelina, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Noraofina ary nanokafana fanadihadiana ireo tanora miisa folo izay nifoka rongony. Isan’ny hetsika farany izay nataon’io sampan-draharahan’ny polisy io koa ny fisamborana narahina fifampitifirana tetsy amin’ny kianja Maki tetsy Andohatapenaka. Lavo nandritra izany ny lehilahy mitam-basy antsoina hoe Ramiaramila, io farany izay teo am-panomanana fanafihana niaraka tamin’ny namany roa, raha araka ny polisy hatrany. Lavo Ramiaramila fa tafaporitsaka tamin’ny moto kosa ny namany roa izay mbola karohina ankehitriny. Maromaro ny vokatra ary andrandrain’ny maro ny mba hidinan’ity sampana ity any anaty faritra mena isan-karazany hiverimberenan’ny fanendahana sy fanafihana.
D.R