Manjaka tsy mijanona ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa ireny mpanoa taxiphone ireny indray no maty notsindromina antsy intelo teny amin’ny faritra Anosibe. Lasan’ilay jiolahy tamin’izany ny telefonina nampiasany sy ny vola maty rehetra nandritra ny andro. Teo amin’ny tanany, ny kibony ary tratrany no niantefa ny antsy. Nijininika ny rà. Tamin’ny sabotsy teo no niseho ity asan-jiolahy ity tokony ho tany amin’ny 8 ora alina tany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy olona hafa nisy nanendaka teny an-toerana tamin’io fotoana io. Niezaka nitondra fanampiana ilay mpanao taxiphone nefa dia izy indray no nifoteran’ireo olon-dratsy. Tetsy andaniny koa anefa, ao ireo nanamafy fa efa nokendren’ireo mpandendaka mihitsy izy. Raha vao voan’ny antsy ilay tovolahy, nisy ny tsara sitrapo nitondra azy namonjy hopitaly. Noho ny ratra nahazo azy anefa sy ny rà be very dia maty ihany izy. Tsy nisy azo natao intsony teny amin’ny hopitaly. Ny ampitso maraina vao afaka nampandre ny fiankaviany ny tompon’andrikitra.
Isan’andro, eto an-drenivohitra, misy tsy mijanona ny asa fanendahana ataon’ny jiolahy. Ny tena mahavariana ny rehetra anefa, mamono mahafaty izy ireny raha vao sahy miseho manohitra azy ireo olona. Manao andiany maro ry zalahy ary tsy misy azo atao. Amin’ny toerana sasany, na andro na alina, handrenesana fanendahana hatrany ny toerana mangina. Halain’ireo mpanendaka avokoa ny zavatra rehetra amin’ilay olona, na vola izany na telefonina na zavatra hafa heverina fa tsy dia misy vidiny akory. Toa miendrika fampihorohoroana mihitsy izany zavatra izany.
nangonin’i r.s.