- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpanendaka misava kitapona ankizy mpianatra

Anosibe : Mpanendaka misava kitapona ankizy mpianatra

Mitaintaina ireo ankizy izay tsy maintsy mandeha amin’iny lalana Anosibe, miainga avy ety Anosikely iny, vokatry ny hafitsok’ireo tsy mahatahotody manao ny asa ratsiny eny. Ireo mpianatra indray no lasibatr’izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy tahotra tsy henatra fa dia amin’ny andro mazava be izao ary fotoana maha betsaka ny mpandeha iny izy ireo no manao izany toy ity nitranga omaly ity. Ankizivavy kely irao no tonga dia bedaina ary nendahana ny rojo sy peratra volafotsy teny aminy. Avy eo mbola nosavaina koa ny kitapony ka noraofin’izy ireo tao telefaonina sy ny vola 1 000 ariary izay saika hanaovan’ity zaza ity « goûter » any an-tsekoly. Rehafa izany dia asian’izy ireo vato ao anatin’ilay kitapo ary naavveriny tamin’ny tompony. Haingana dia haingana no hanatanterahan’izy ireo izany. Rehefa avy eo toy ny olona tsy nanao na inona na inona ireto jiolahy izy miala eo. Eo vao nivarahontsana sy nangahiahy fotsiny ilay ankizy. Ity farany izay ny mpandalo no namonjy sy nanambitamby azy. Ireo olondratsy kosa efa dila ka tsy hita intsony. Teny amin’iny lalana manoloana hotely lehibe iray eo akaikin’ny hidin-dalamby Anosibe iny izany no nitranga. Araka ny filazan’ireo mpandeha sy mponina eny an-toerana dia efa betsaka no niharan’izany asa ratsy izany teny. Saingy ny mahagaga dia toa tsy misy rototra na mamonjy izay voa ireo izay mahita. Tsy hita hifanomezan-tsiny izany satria mba matahotra ny ainy koa izy ireo. Iarahana mahalala fa miaraka amin’ny fitovam-piadiana na antsy ireny jiolahy ireny matetika rehefa manao ny asa ratsiny ka hanairana ny sain’ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky izao raharaha izao. Ny hany azo atao aloha dia ny mitandrina sy mailo raha tsy maintsy hihazo iny lalana iny. Tsy ny ankizy ihany fa na ny lehibe koa aza indrindra ireo vehivavy izay mitondra poketra ireny. Tranga efa mpiseho eny ny andian-jiolahy tonga dia manankina olona eny amin’ny tamboho manamorona iny lalana iny ka manendaka ankitsirano izao ilay lasibany. Raha fehezina dia tena tsy milamina iny toerana iny ka mila mitandrina isika. Tokony ho fadiana ny mitondra zavatra sarobidy raha tsy maintsy handeha irery.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici