Lehilahy antsoina hoe Jean bas, 22 taona, no tra-tehaky ny fokonolona ka naterina tao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana teny Ilanivato, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-bavaovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina, izy sy namany telo lahy no nanendaka ramatoa iray teny amin’iny faritra Anosibe iny. Vola mitentina iray tapitrisa ariary mahery, niaraka tamin’ny antontan-taratasina fiara maromaro no lasan’izy ireo tamin’izay fotoana izay. Marihina fa avy nivarotra teny Analakely ity ramatoa ity no efa narahin-dry zalahy maso efa ho telo andro, talohan’ny nirosoany tamin’ny asa ratsiny. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana sy ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana, taorian’ny nahatratrarana an’ity rain-dahiny ity. Tamin’izany no nitsimponana an’ireo namany roa hafa, izay tra-tehaky teny Anosibe sy Andohatampenaka, ny sabotsy lasa teo. Niaiky izy ireto fa nanendaka io vehivavy io. Efa lany nifampizarana kosa ny volabe. Omaly ihany moa no nohenoina teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ry zalahy ireto.
m.L