- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpangalatra môtô roalahy, tra-tehaka teo am-panosehana

Anosibe : Mpangalatra môtô roalahy, tra-tehaka teo am-panosehana

Niha-nahazo vahana tanteraka indray ny resaka halatra môtô tao ho ao, raha ny hita tamin’ireo fitairanana maro isan-karazany manemitra ny tambazotra sosialy. Misy ireo tsara vintana, hita soa aman-tsara kodiaran-droa very, ary voasambotra ireo mpanao ratsy. Toy ity tranga tetsy Anosibe ity ny sabotsy lasa teo. Efa hiarahan’ny rehetra mahalala tokoa mantsy fa tsy “misomonga” ireo pôlisy eny an-toerana amin’ny fisavàna ireto môtô rehetra mifamezivezy eny an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina, tsy lavitry ny toeram-pivarotana fanafody malaza iray eny an-toerana, roalahy no niara-nanosika môtô iray, tsy nisy lakile no tsy nisy aroloha ihany koa, fa indrindra somary kaodikaody. Tsikaritry ny pôlisy niasa teo izany ary avy hatrany dia nosakanan’izy ireo ireto roalahy ireto nisavàna azy ireo. Tsy nahitàna taratasy mahakasika ity kodiaran-droa ity moa tany amin’ireto roalahy ireto ka avy hatrany dia nentina nihazo avy hatrany kaomisaria izy roalahy, niaraka tamin’ilay môto ho amin’ny famotorana. Teo no nahafantarana fa môtô very ary efa nalefan’ny tompony tamin’ny tambazotra sosialy ny filazàna fampikarohana azy. Rehefa nantsoina ity farany, nitondra ireo taratasy maha-azy ilay môtô dia naverina taminy izany. Ireto roalahy kosa avy hatrany dia notazomina natao andrimaso, mandram-piandry ny anio, hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Fa tamin’iny herinandro iny ihany koa dia fantatra môtô efatra be izao no very tetsy Alarobia Amboniloha, rehefa norobain’ireo mpangalatra tao tamin’ny “parking” nametrahan’ireo tompony azy ireo. Nisy mpiambina ity toerana ity saingy voalaza fa tsy naheno n’inona n’inona izy ireo. Ny olona sendra nahatsikaritra ny zava-nisy moa no nilaza fa tena nivezivezy mihitsy ireto farany nibata sy namelona ireto kodiaran-droa ireto. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana izany kodiaran-droa very izany sy ireo tompon’antoka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici