
Ny alatsinainy lasa teo, tovolahy iray 18 taona no voasambotry ny pôlisy tetsy Anosibe Angangarangana, noho ny resaka famakiana trano. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia mbola mpianatra, manovo fahaizana eto an-drenivohitra ingahirainy, saingy izao nanita-kevitra ny hivadika ho mpamaky trano izao. Asa, mafy loatra va re ny fiainana sa mirotsaka amin’ny fitadiavam-bola mora foana ireo tanora ? Raha ny vaovao azo hatrany dia trano iray teny amin’iny faritra Madera Namontana iny no nampiharan’ity tovolahy mpianatra, lasa jiolahy ity, ny fahaiza-manaony hafa ankoatry ny fianarana. « Tafatsoaka moa izy tao aorian’ny famakiany trano nataony ary nifampitadiavana izy nanomboka teo, marihana moa fa tadidin’ny tompon-trano ny endriny nadritra ny fangalarana natony tao amin’ity tokantrano iray ity » hoy ny fampitam-baovao. Tonga nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy araka izany ity tompon-trano, ary nandeha ny fikarohana ilay nahavanona ny asa ratsy. « Natao ny fikarohana ity jiolahy ity ary teo no nahafantarana fa eny Angarangarana no misy azy, nidina ifotony ny polisim-pirenena araka izany nanao ny fisamborana azy ». Mazava ho azy, tsy hita tao aminy intsony moa ireo entana rehetra nangalariny tao amin’ilay tokantrano. Tamin’ny fanadihadiana azy no nilazany fa « efa namidiny ireo entana halatra nalainy ireo ». Nentina avy hatrany ary notanana natao famotorana moa ity tovolahy ity. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ireo pôlisy mahakasika izany tranga izany araka ny vaovao azo hatrany. « Tsy maintsy atao ihany koa ny fikarohana ny olona nividy ilay entana halatra » hoy ireo mpanao fanadihadiana.
m.L