Niala tao an-tranony izy ny alin’ny alatsinainy teo ary nandeha niandry faty. Tsy taiza izany fa teo an-tanànany ihany, teo Namontana-Anosibe. « Tokony ho tamin’ny sivy alina izy no niala tato an-trano mba hamangy fahoriana sy hiandry faty » raha araka ny fanazavan’ny vadiny izay ontsa tanteraka raha nijery azy teny amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny Hjra omaly. Ny maraina tokony ho tamin’ny dimy ora omaly no nisy olona maro izay tohina ary nihorakoraka. Izany no nanaitra ny manodidina izay nidina teny an-toerana, tsy mifanalavitra ny tanimbary kely izay eo an-tanànan’i Namontana ihany. Rehefa nojerena dia olona mihoson-drà ary efa tsy mihetsika intsony no hita. Efa mikirozaroza ny tendany izay notsatohana tamin’ny zava-maranitra, raha ny fijerin’izay nahita azy. Nentina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty ny razana rehefa avy nanao ny asany ny mpitsabo mpijirika faty sy ny polisy mpanao fanadihadiana momba ny raharaha heloka bevava. Raha ny fanazavana azo tamin’ny fianakaviany dia tsy nisy afa-tsy kitapo kely iray izay nisy « radio-carte » tao anatiny. Io rahateo no entiny rehefa miasa matetika ary mbola nentiny tamin’iny alina iny. Ankoatr’izay dia vola mitentina 6.500 ariary no tany am-paosiny nentiny nivoaka io alina io. Io entana sy vola io dia tsy nisy hita intsony tamin’ny fotoana nahitàna ny fatiny. Ilay kitapo kely sisa no hita niaraka tamin’ny razana ny marainan’ny omaly tokony ho tamin’ny dimy ora. Raha oharina amin’ny zavatra lasa dia mampanahy ihany hoe ireo entana ireo ve dia tokony ho tonga amin’ny famonoan’olona ireo olon-dratsy ? Tsy azo hialàna anefa ny petra-kevitra fa manakaiky ny asan-jiolahy no nitranga noho ny fisian’ny entana very teny amin’ilay rangahy. Namela mananon-tena sy kamboty (mbola kely) roa io farany. Mbola tsy maintsy alaina ny feon’ny olona rehetra izay mety ho niaraka taminy nahita azy tao amin’ny fiandrasam-paty mba hahafantarana bebe kokoa izay tena niteraka ity heloka bevava ity.
D.R