- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpiantsena voaroba 20 tapitrisa ariary, jiolahy 5 voasambotra

Anosibe : Mpiantsena voaroba 20 tapitrisa ariary, jiolahy 5 voasambotra

Na dia teo aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana, toa mbola toerana anjakan’ny asan-jiolahy iny Anosibe sy ny manodidina iny. Ny alarobia 27 may lasa teo, mpiantsena teny an-toerana no voaroba vola 20 tapitrisa ariary. Efa-dahy izy ireo nanao ity asa ratsy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. “Nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny « Commissariat de Police 5eme Arrondissement » Mahamasina fa nisy jiolahy nanendaka teo amin’ny « Rond Point » Be Anosibe” hoy ny vaovao. Tsy niandry ela fa nanomboka teo, dia efa nandeha ny fikarohana ka roa tamin’ireo olon-dratsy nandray anjara tamin’ity fanendehana ity no voasambotra. “Fantatra fa efa jiolahy rain-dahiny, efa malaza ratsy amin’ny resaka fikambanan-jiolahy izy ireo, eny amin’iny faritra Anosibe iny. Lehilahy roa no voasambotra tamin’izany; izay tena tompon’antoka tamin’ilay asa fanendahana ny Alatsinainy 01 Jona 2015 hariva. Nentina teny amin’ny Biraon’ny Polisy izy ireo natao fanadihadiana ka nanondro ny namany telo, ka voasambotra ny ampitson’io teny an-toerana. Rehefa nohadihadiana izy ireo , dia niaiky fa tena nanao ilay asa fanendahana ary naka ilay vola be”, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Araka ny fanazavana azo, dia ny ampahan’io vola azon-dry zalahy tamin’io fotoana io ihany no voaverina tamin’ny tompony, ny sisa kosa efa nanaovan’ireto olon-dratsy ireto ny sitra-pony. Marihina, araka ny fampahafantarana nataon’ny pôlisy hatrany, fa ny iray tamin’ireto olon-dratsy voasambotra ireto, dia tsy ampy taona. Omaly ihany moa no natolotra ny teny amin’ny Fampanoavana izy dimy lahy voasambotra ireto. Inoana araka izany, fa hilamindamina indray aloha izany iny faritra iny. Eny fa na dia efa fantatry ny maro aza fa voasambotra ny eo, mipoitra indray ny hafa manao ny ataony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser