- Publicité -
jeudi, décembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpibizina taolam-paty efa-dahy voasambotry ny pôlisy

Anosibe : Mpibizina taolam-paty efa-dahy voasambotry ny pôlisy

Taolambalo mahatratra teo amin’ny 145 teo no nokasain’ireto efa-dahy hamidy eto Andrenivohitra, ny zoma lasa teo. Very an-javony anefa izany rehefa saron’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (Sag) sy ny pôlisy miady amin’ny heloka bevava ireto farany, teny amin’iny faritra Anosibe iny. Raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia efa taorian’ny 26 jona  teo no re fa misy mikononkonona hivarotra taolam-paty eto Andrenivohitra. Efa fantatra tamin’izay ihany koa ireo mpivarotra. Napetraka nanomboka teo ny vela-pandrika. Nalaina tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy tany ireto taolambalo marobe ireto. Ny alakamisy teo no fantatra fa tonga teto Andrenivohitra ireto mpibizina taolam-paty ireto, ary trano iray eny amin’iny faritra Ambatomaro iny no nanatobian’izy ireo izany. Entina hamandrihana ireto fanetriben’ny firenena ireto, dia nolazaina fa ny zoma lasa teo no noraiketina ny fifampivarotana eny amin’iny faritra Anosibe iny. Ary dia tonga teny tokoa ireto farany, nitondra fiaraketsaka sy niaraka tamin’ireo « entana », ary dia noraisim-potsiny. Efa-dahy izy ireo, ary mbola tratra teny aminy ny sakaosy misy ny lamba namonosana ireo taolana. « Taolam-pe 50, taolan-dranjo 49 ary taolan-tanana 46 » izay no tao anatin’ilay sakaosy. Tamin’io fotoana io ihany, dia nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy tetsy Anosy izy efa-dahy tratra ireto. Raha tsy misy ny fiovàna, dia fantatra fa hatolotra ny Fampanoavana anio izy ireo. Hatreto dia mbola mipetraka foana ilay fanontaniana tsy nisy valiny, efa an-taonany maro hoe, iza no mpandray ary atao inona taolam-paty ? Inoana fa mety hisy valiny atsy ho atsy izay, raha mizotra lalindalina kokoa ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici