- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpitandro filaminana sy mpiasan’ny ministera tra-tehaka nisoloky

Anosibe : Mpitandro filaminana sy mpiasan’ny ministera tra-tehaka nisoloky

Mpitandro filaminana iray, mpampianatra misotro ronono, mpiasan’ny ministera roa, ary olon-tsotra iray no tra-tehaky ny zandary, raha nikasa ny hisoloky mpandraharaha iray tetsy Anosibe. Araka ny fantatra dia milaza fa « inspecteur de travail » ireto olona ireto ary nitaky vola fito tapitrisa ariary tamin’ity mpandraharaha ity fa hoe mampiasa zaza tsy ampy taona io olona io. Ny alakamisy lasa teo no tonga tao amin’ity orinasa iray etsy Anosibe ny lehilahy roa, izay mpitandro filaminana ny iray, ary mpampianatra misotro ronono kosa ny iray. Nilaza ireto farany fa « inspecteur de travail » ary nilaza fa nitondra tonian’ny mpampanoa lalàna miaraka amin’izy ireo, afaka managadra avy hatrany ity mpandraharaha ity raha tsy manaiky ny zavatra takian’izy ireo. Vola teo amin’ny fito tapitrisa ariary teo no takian’ireto mpisoloky ireto. Nandeha teo anefa ny ady varotra ary tapaka fa roa tapitrisa ariary no aloan’ilay rangahy. Tsy nisy afa-tsy vola iray tapitrisa mahery anefa no teo am-pelan-tanan’ilay mpandraharaha ka dia io no nomeny an’ireto mpisoloky ireto. Ny ambiny kosa dia eny Ambatomirahavavy, trano misy ny fitoerana entan’ilay orinasa no aloha ny ambiny ny ampitso. Tonga teny tokoa ireto olona ireto, ary tamin’izay fotoana izay no nahatrana azy ireo. Efa nampandre ny zandary teny an-toerana mantsy ity mpandraharaha ity. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireto mpisoloky ireto no nahafantarana ny teti-dratsin’izy ireo ary niaken’izy ireo ny helony. Mbola misy mpiasan’ny ministera roa hafa ihany koa miampy olona iray nosamborina, nambaran’ireo voasambotra fa namany. Tafakatra dimy araka izany ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ary mbola misy vehivavy iray hafa karohina. Fantatra fa anio no hohenoina eny anivon’ny Fampanoavana ireto mpisoloky ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici