- Publicité -
dimanche, août 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpivaro-dasopy voambana antsy, lasa hatramin’ny vilany

Anosibe : Mpivaro-dasopy voambana antsy, lasa hatramin’ny vilany

Mihamanakaiky ny fety dia mirongatra sy toa romotra mihitsy ireo olon-dratsy sy tontakely amin’izao. Na hatramin’ireo mpivarotra madinika aza dia mitondra faisana tanteraka noho ny afitsok’ireo mpanao ratsy. Toy ity nitranga tetsy Anosibe ity ny alarobia lasa teo, satria dia irony mpivarotra lasopy mandehandeha miaraka amin’ny vilanibe irony indray no nataona telolahy nahita faisana, raha iny handeha hody iny. Lasan’ireto olon-dratsy ny vola matin’ity ranamana ity, izay mitentina eo amin’ny enina alina ariary eo ho eo. Ary tsy vitan’izay fa hatramin’ilay vilanibe aza dia lasan’ireo tsy mataho-tody rehefa tsy nahita zavatra nalaina teny aminy intsony izy telolahy ireto. Niantso vonjy avy hatrany ity farany, ary soa ihany fa mba nisy nanoina ny antsony. Ity farany, rehefa nahatsirakitra tovolahy iray izay mbola mivingitra dia mivingitra ilay vilanibe, no niantso avy hatrany ny pôlisy. Noho ny havesatry ny « entana » dia noraisim-potsiny ity tovolahy ity. Na dia nanoro ny misy ireo namany aza izy dia efa tafaporitsaka ireto farany ary mbola karohina hatramin’izao. Raha ny fanazavàna azo dia izy ireo no isan’ireo mpanendaka rain-dahiny eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Omaly moa no natolotra ny Fampanoavana ity olon-dratsy ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici