Jiolahy noana! Nandeha teny amin’ny mpivarotra hani-masaka, vary amin’anana raha ny marimarina kokoa, dia nihinana toy ny olon-drehetra ary tena nanaram-po aza. Saingy teo amin’ny fotoana tokony nandoavana ny vola dia antsy no navoakany fa tsy ravim-bola akory. Tsy nisalasala ilay lehilahy nampiasa izany ka nanindrona ilay mpivarotra, izay naratra mafy. Omaly dia mbola natao avokoa izay famonjena rehetra azo natao tamin’io mpivarotra vary amin’anana io, tao amin’ny hopitaly. Karohina kosa ilay nahavanon-doza.
D.R