- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Nahomby ny GPS, mpangalatra môtô maromaro voasambotra

Anosibe : Nahomby ny GPS, mpangalatra môtô maromaro voasambotra

Teny Ambohibao no lasa ny môtô rehefa nosakanan’ny môtô roa hafa. Fanendahana arak’izany no nitranga ary amin’ny andro antoandrobe, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany. Ny tsy fantatr’ireo olon-dratsy, dia ny fisian’ny GPS, teknolojia hahafantarana ny fivezivezen’ny fitaovana iray hipetahany. Rehefa nipetraka teo anivon’ny SUT Tsaralalàna ny fitarainana, dia niainga teo ny fanarahana ilay môtô tamin’ny alàlan’ilay GPS. Ny andron’io ihany dia fantatra fa teny Anosibe Angarangarana ny toerana nijanonany. Natao ary ny fisavàna ilay trano rehefa nahazo alàlana tamin’ny fampanoavana. Nitombina tokoa ary tsy nisy diso ny ahiahy. Tamin’ny dimy ora  sy sasany maraina, dia efa raikitra ny fisamborana ny olona tao. Avy amin’izany indray nony avy teo no nanao fisavana ihany koa ny trano iray teo amin’ny manodidina izay voatondro fa isan’ny fanafenana ihany koa. Efatra ny totalin’ny olona izay voasambotra tao anatin’ity raharaha ity. Misy iray antsoina hoe Ndaty ary io no tena miandraikitra ny fivarotana ny entana. Misy hatramin’ny hoe alefa any amin’ny faritra ireo môtô ary efa misy mpandray any. Any Andapa no tena voatondron’ny pôlisy ho fivarotana an’izany. Mirongatra ny halatra môtô eto Andrenivohitra ary na amin’ny andro antoandro aza dia efa misy ny sahy manakan-dàlana. Isan’ny nahita faisana farany teo ilay « livreur de pizza » an’ny orinasa Gastro; izay voatondraka asidra mba hangalàna ny môtô nentiny.  Amin’ny lafiny iray koa anefa dia tsy azo ihodivirana intsony, fa tokony hampiasaina ny teknolojia na ho an’ny tompon’ny fitaovana izany na koa ho an’ny mpanao fanadihadiana. Tsy azo ihodivirana intsony…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici